- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Vazaha namono mpiasana hotely, nidoboka am-ponja

Toliara : Vazaha namono mpiasana hotely, nidoboka am-ponja

Nidoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Toliara, ny zoma teo, rehefa avy nentina teny amin’ny Fitsarana, ilay teratany frantsay iray namono sy nidaroka ary nandratra Malagasy mpiasana amin’ny trano fisakafoanana iray lehibe ao amoron-driaka Toliara, ny antoandron’ny alahady 7 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora sy 15 minitra. Nivindina tarehy sy nivonto maso noho ny vono nahazo azy ity mpiasan’ny hotely ity, izay tsy afaka namaly mihitsy. Niantsoana polisy mihitsy vao nitony ity teratany frantsay be sandry mpamono olona ity. Raha ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao dia avy niady tamina mpitondra posy avy nitondra azy ity vazaha ity. Nirarakopana ny teny ratsy sy ny ompa ary fanambaniana ny Malagasy imasom-bahoaka nataony tao amin’ity « restaurant » ity. Nandrara sy nanambitamby azy ilay mpiasan’ny hotely, izay niteny fa tsy mety izany, nefa daroka sy vono no setrin’izany. Raha ny loharanom-baovao dia malaza ratsy ao Toliara, indrindra ny ao amin’ny fokontany Mahavatse iny, ity vazaha mpisetrasetra ity amin’ny fomba ratsiny, ary mirehareha fatratra fa vinantona mpitandro filaminana be galona hono izy. Any am-ponja aloha i J. miandry ny 20 janoary 2015 amin’ny fitsarana azy.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser