- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Vazaha tsy nandoa volana makorely, lasa nalemy ny filahiany

Toliara : Vazaha tsy nandoa volana makorely, lasa nalemy ny filahiany

Ela nitoratorahana sy zatra ny lalan-dririnina ka nahavoa mason’angatra. Teratany vahiny iray  56 taona nisara-bady tamin’ny ramatoa gasy no niray tamina tovovavy makorely nalemy filahiana. Nofitahin-drangahy ilay sipakely koaitra niaraka taminy. Nanda tsy nety nanome ny vola 30 000 ariary nifanarahana izy rehefa vita ny hala hidihidiny, ny fiandohan’ity volana ity, tany Ifaty Toliara. Raikitra ny fifamaliana. Nentin-katezerana ilay mpivarotena sady nikafara no nandeha, fa « tsy ho zakanao izao ry mpamitaka sy tendan-kanina tsy mahaloa vola ity ».

Tsy sitran’ny dokotera. Tsy nihevitra ny tohin’ny tantara ilay vazaha fa nanohy ny fiainany mahazatra azy. Telo andro taorian’izay, nahatsiaro tena ho tsy netinety, fa voly sady manaintaina naharary ny maha lehilahy azy. Herinandro taorian’io, nandeha tany amin’ny dokotera ny tenany ka nahazo fanafody saingy tsy nampiova zavatra izany. Hany heriny nitantara ny zava-misy tamin’ny namany akaiky azy, ka ity farany avy nanoro hevitra hamonjy mpimasy.

Nandoa omby sy vola roa hetsy. « Tsy ho sitrana mihitsy ianao raha tsy mifona sy manao alafady fadio any amin’ilay tovovavy nofitahinao », hoy dadarabe. Araka ny loharanom-baovao dia tsy nanaiky mora rasipa rehefa nifona tany ilay vazaha. Tsy vitan’ny telo alina ariary intsony ny resaka teto fa niafara tamin’ny omby sy vola roa hetsy ariary. Te hiverina amin’ny maha ara-dalana azy toy ny teo aloha ny fanoto ka tsy maintsy nandoa. Tamin’ny angom-baovao no nahafantarana fa efa fomba ratsy mahazatra an’ity teratany vahiny ity ny mamitaka tovovavy malagasy toy izao. Tamin’ity indray mitoraka ity, nifanena tamin’ny mpaka kitay sy sendra ny nahay azy izy.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser