- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Vehivavy 28 taona namono tena

Toliara : Vehivavy 28 taona namono tena

Vehivavy iray 28 taona mbola erotrerony nisarahan’ny vadiny no nikasa hanapitra ny ainy rehefa nitelina fanafody 30 ny asabotsy antoandro teo tany Toliara. Tsy zakany ny fandaozan’ilay olon-tiany azy. Ny zanany 5 taona nitomany sy nikiakiaka mafy no nanaitra ny manodidina. Avotra soa man-tsara ihany izy na dia efa nalemilemy aza. Raha ny fanampim-baovao voaray dia nisintaka ity vadiny ity fa misakaiza amin’olon-kafa. Tsy nisy ny fifamaliana teo amin’ity renim-pianakaviana tanora ity sy ny vadiny teo aloha. Maro ny olona no mora mamoy fo amin’izao, indrindra ny tovolahy ary dia resaka fitiavana hatrany no hamonoana tena. « Tanala very sampy ka ny manova no mety », hoy ny Ntaolo tompon’ny fanhendrena. « Iray mipitsika, 10 madodona », hoy ny fitenin-jatovo amin’izao.

Nangonin’i Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser