Ramatoa iray 45 taona monina ao amin’ny fokontany Tsimenatse I-Ouest, Toliara, no naolan’ny lehilahy iray 35 taona mamon-drongony tao an-tranony, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo, tamin’ny roa ora maraina. Torana ity vehivavy ity noho ny daroka sy vono mafy nihatra taminy. Mbola nodoran’ilay mpanolana ny vatany iray manontolo. Ora roa taty aoriana vao nahatsiaro tena, ary afaka niantso vonjy ihany na dia notapenan’ilay mpanolana sady nokendaina aza. Manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalibe ny tenany amin’izao (mivindina tarehy, mangana vatany iray manontolo).
Mpimasin’ny dahalo sady mpivarotra rongony. Raha ny vaovao voaray dia havan’ity ramatoa niharan’ny herisetra ara-nofo ity ihany ilay lehilahy nanolana azy, ka tsy nisalasala ny tenany niara-nirevy taminy sy ny namany iray sarim-bavy, tamin’io alina io. Rehefa lasa ilay pelaka dia nanamparan’ilay lehilahy ny filan-dratsiny, sady novonoiny rehefa nanohitra azy, ilay ramatoa voaolana. Raha ny loharanom-bao akaiky ny mpitandro filaminana dia mpimasy mpanome ody dahalo sady mpivarotra rongony ity lehilahy mpanolana voasambotra hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ity.
Eric Man