- Publicité -
mardi, septembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Vehivavy bevohoka nilaozam-badiny, namono tena

Toliara : Vehivavy bevohoka nilaozam-badiny, namono tena

Aleoko maty, hoy ity tovovavy 19 taona bevohoka dimy volana, monina ao amin’ny fokontany Andaboly Toliara, ny alahady hariva teo, rehefa nisarahan’ny olon-tiany. Manambady aman-janaka ity farany, ka traingo ny fiarahana niafina hatramin’izay. Tsy maintsy nisaraka satria tsy mahafoy ny tokantranony ilay rangahy. Tsy nahatanty izany anefa ity tovovavy izay raiki-pitia taminy ity, ka hany heriny namoifo. Raha ny fitantaran’ny renin-drazazavavy dia saika handrapaka poizim-boalavo mahery vaika izy tamin’io andro io, noho ny alahelo diso tafahoatra kanjo tratra ka avotra soa aman-tsara. Tato ho ato, lasa lamaodin’ny tanora any Toliara ity mamono tena ity rehefa misy olana tsy zaka, indrindra ny mpianatra sy ireo voatavo tsy mifandraka.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser