- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Vehivavy bevohoka, novelesin’ny rafivaviny fanoto

Toliara : Vehivavy bevohoka, novelesin’ny rafivaviny fanoto

Ny hasarotam-piaro diso tafahoatra dia mety hamonoana olona sy hahitan-doza.Tovovavy iray 21 taona, bevohoka enim-bolana, no novelesin’ny rafivaviny tamin’ny kobay mitovy halava amin’ny fanoto, afak’omaly naraina, tao Antsiratsira Toliara. Fanina nandraingiraingy zy tamin’izany. Soa ihany fa teo amin’ny tanany havia ambany kelin’ny sorony no niatefa ny vantan-kazo, fa raha tsy izany dia saika zava-doza no nitranga, hoy ny fitantaran’ny fianakavian’ny niharam-boina.

Nangata-bola. Raha ny fanazavana voaray nandritra ny angom-baovao dia vadikelin-drangahy ity vehivavy mitondra vohoka ity. Hangata-bola vao maraina no anton-diany tao an-trano. Raha vao nahita ny rafivaviny nandodona teo am-baravarana ity renim-pianakaviana ity dia nentin-katezerana sy nisafoaka, naka vantan-kazo ary nikapoka, satria tsy nahatanty ny fampirafesana natao azy. Raha ny zava-misy sy maso mahita ao Toliara ao, dia mbola mahazo laka ny fomban-tany amin’ny fananana vady maro. Mbola vitsy ihany koa, hoy ny tompon’andraikitra, ireo vehivavy iharan’ny herisetra sahy mitory, ka vitavita amin’ny raharaham-pihavanana (kabary ambany kily) hatrany ny raharaha.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser