- Publicité -
mardi, novembre 25, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Vehivavy iray maty may kila forehitra

Toliara : Vehivavy iray maty may kila forehitra

Nahazo laka tato ho ato ny haintrano taty amin’ny faritra Atsimo Andrefana, indrindra fa ny tany amin’ny distrikan’i Toliara II. Afak’omaly alina, vehivavy iray no maty may kila forehitry ny afo, tao amin’ ny fokontany Ampasinabo Andoziny, kaominina ambanivohitra Mitsinjo Betanimena, distrikan’i Toliara II. Raha ny vaovao voaray dia toerana fanaovan’ ireo mpianatry ny oniversite Maninday Toliara fikarohana ity toerana nitrangan’ny haintrano nahatsiravina namoizana ain’olona ity, izay antsoina hoe Ankininy. Efa misokatra moa ankehitriny ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana, ka ho hita eo ny tena marina mahakasika an’ ity haintrano nahafatesana olona ity.

Nahoda

 

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici