- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Vehivavy misy fiandry, mivonto filahiana izay miaraka aminy

Toliara : Vehivavy misy fiandry, mivonto filahiana izay miaraka aminy

Trangam-piarahamonina hafa kely ity miseho tany Toliara ity. Olona roa no efa saika haka vady an’ity vehivavy tsara tarehy sy bikana ity, ka ny iray vazaha, raha zanak’olona ambony sy manana ny maha-izy azy ao an-drenivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana ny faharoa.Nihemotra anefa ireo, satria tratran’ny aretina hafahafa nivonto filahiana izy roalahy niaraka taminy.Raha ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviany taorian’ny fanatonana mpimasy, nilaza ilay ombiasy fa tratran’ny fiandry fonoka nataona lehilahy iray monina tsy lavitra ny trano fonenan-drakalakely nitsiriritra azy no antony nahatonga ny aretina. Nasiany ody ratsy ny silipo nihahy teo an-davarangana. Ny tanjony amin’izany, hoy ny fanazavan’ny dadarabe tamin-dravehivavy sy ny havany nitsabo azy, dia tsy hisy haka vady ianao ka ho mora aminy ny haka anao ho vady, na dia tsy tianao aza io lehilahy mpanadala anao matetika io.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser