- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Vehivavy voalaza fa mpamosavy, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Toliara : Vehivavy voalaza fa mpamosavy, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Vehivavy iray sahabo ho 45 taona, voatondro ho mpamosavy, nandihindihy teo an-tokonam-baravaran’olona alimbe no naratra mafy vokatry ny daroka sy vono nahazo azy, ary saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibe mihitsy raha nisy kely, afak’omaly, tao Ampasikibo Toliara. Taitra tamin’ny torimasony ny raim-pianakaviana iray tao an-tranony raha nahare feo hafahafa tany an-tokotaniny. Namoha ny zanany lahy roa izy, ary nivoaka moramora tamin’ny varavarankely niaraka tamin’ny zava-maranitra izy telo mianaka nizaha ny zava-nisy.  Raikitra avy hatrany ny hazolava rehefa voasambotra ilay olona noheverina ho mpangalatra hamaky trano. Feom-behivavy nihiaka anefa no heno, ka teo no naha voatondro an’ity ramatoa voasambotra ho mpamosavy mpivoaka alina. Taitra nandre ny antsoantson’ny tompon-trano ihany koa ireo teo amin’ny manodidina ka taitra tamin’ny torimasony, ary samy nivoaka ny trano. Raikitra avy hatrany ny daroka sy vono tao anaty haizina nihatra tamin’ilay vehivavy voalaza fa mpamosavy. Rehefa nentina namonjy jiro mazava, teo vao fantatry ny rehetra fa hay S. vehivavy mamolava mivikan’ny toaka ity voavono, hoy ny fanazavana azo.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici