- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Voatafika ny iraka mpitondra taratasina fisotroan-dronono

Toliara : Voatafika ny iraka mpitondra taratasina fisotroan-dronono

Mbola fanakanan-dalana ihany koa. Tamin’ity indray mitoraka ity indray mpiasam-panjakana, iraka mpitondra ireo aton-taratasina fizarana fisotroan-dronono « Titres de paiement pension » no notafihan’ny jiolahy ny sabotsy lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo dia iny izy niala teo amin’ny toeram-piantsonan’ny taxi-brousse teo Sanfily Toliara, ho any amin’ny Tahirim-bolam-panjakana ao Toaliara no niharan’izany fanafihana izany. Araka izany lasan’ireo olon-dratsy avokoa ireo antonta-taratasy rehetra tany aminy : ny « Titres de paiement Pension Juin 2019 » sy ny « Bons de caisse Pensions Alimentaires Juin 2019 », izay an’ny faritra Atsimo Andrefana iray manontolo (Toliara, Ampanihy Andrefana, Ankazoabo-Atsimo, Benenitra, Beroroha, Betioky Atsimo, Morombe, Sakaraha, ary Manja). « Marihina fa taratasy ahafahana mandoa ny fisotroandronono sy ny « pension alimentaire » ireo very ireo fa tsy lelavola akory » hoy ny vaovao. Nihevitra angamba ireo olon-dratsy fa nisy volabe tany amin’ity iraka ity. Teo anatrehan’izany dia efa nisy fepetra haingana noraisin’ny eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, amin’ny alalan’ny Direction Générale des Finances  et des Affaires Générales sy ny Direction Générale du Trésor ny amin’ny fanontana ny « duplicata »-n’ireo taratasy very ireo. « Ny tanjona dia ny mba handoavana faran’izay haingana ny “pensions” » raha ny fampitam-baovao hatrany. « Tsara ho fantatra fa efa fotoana maromaro izay ny  Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no efa mandinika ny fomba hanafoanana ny fikirakirana ny antontan-taratasy amin’ny alalan’ny fametrahana ny “dématerialisation” sy ny firosoana amin’ny “Système de paiement éléctronique” amin’ny fandoavana ny fandanian-panjakana. Izany no natao dia ny mba tsy hiverenan’ny tranga toy izao intsony »

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici