- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Vola 1,2 tapitrisa ariary sy volamena 125 grama, nentina mpanampy...

Toliara : Vola 1,2 tapitrisa ariary sy volamena 125 grama, nentina mpanampy an-trano nitsoaka

Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy. Tovolahy iray 21 taona eo, izay mpanampy an-trano efa niasa roa taona tao amin’ireto mpivady tanora, ary nitokian’ireto farany, nentina toy ny mpiray tampo taminy no voalaza fa nandroba ny fananan’izy ireo lafo vidy (vola sy volamena), ny harivan’ny alarobia teo, tao Tsimenatse Toliara, ka karohina fatratra amin’izao. Gaga izy mivady rehefa tonga tao an-tranony avy nitondra ny zanak’izy ireo narary tany amin’ny dokotera nahita ny trano babangoana tsy nisy olona. Vao mainka ankona tanteraka ireto mpivady tompon-trano rehefa tonga tao amin’ny efitra fatorian’izy ireo nahita ny “armoire” efa vaky, ary tsy teo amin’ny toerany intsony ny vatakely fitoeram-bola nisy lelavola mitentina 1,2 tapitrisa ariary, saika hividianana simenitra sy fanitso hanamboarana trano. Nanjavona niaraka tamin’ity tovolahy “wanted” ity ihany koa ny boaty misy ny rojo sy firavaka volamena 125 grama, hoy ny vaovao voaray, ary tsy nisy nahatsikaritra ny zava-nitranga ireo mpiara-monina manodidina rehefa samy nofotorana.

 Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici