- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Voly rongony 1 ha mahery tratran’ny polisy, rongony 3 gony...

Toliara : Voly rongony 1 ha mahery tratran’ny polisy, rongony 3 gony nodorana

Voly rongony amin’ny tany midadasika mirefy iray hektara mahery no saron’ny polisy miady amin’ny zava-mahadomelina ao Toliara, ny faran’ny herinandro teo, tany amin’ny fokontany Bevoay kaominina Ambohimahavelona Toliara II, 50 km atsimon’i Toliara renivohitra. Raha ny fanazavana azo dia nambolena niaraka tamin’ny voly katsaka ireto rongony tratra. Olona telo no voasambotra. Nongontana ary nodorana avy hatrany tany an-toerana ireo voly rongony. Rongony telo gony hafa nentina natao porofo tao Toliara, ary nodorana afak’omaly.

Noho ny fiparitahan’ny rongony ao Toliara lasa bizina rapida, ary roboka midoroka hatramin’ny tsy ampy taona, dia manao ny ezaka rehetra amin’ny fikarohana ireo mpandray, mpivarotra ary mpanondrana jamala ny mpitandro filaminana. Tao anatin’ny telo volana, voly rongony an’hektaran’ny maro sarona ka nodorana imasom-bahoaka tamin’iny faritra Ambohimahavelona iny, raha ny fanampim-panazavana azo tao amin’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici