Nandritra ny fidinan’ny polisy tany amin’ny kaominina ambanivohitry Marofify, distrikan’i Toliara II, ny faran’ny herinandro teo, dia voly rongony amina velaran-tany 3 ha ao amin’ny fokontany Andranovaky no sarona. Nitsoaka nandositra ny olona 20 teo an-tanàna raha vao nahatazana ny mpitandro ny filaminana, ka lahy antitra 65 taona no sisa tavela. Raha ny fanazavana azo, dia iray gony isaky ny hektara ny vokatra miakatra amina tanin-drongony iray, izay hamidy roa alina ka hatramin’ny roa hetsy ariary ny iray gony. Mandeha lakana sy mirobo-drano ary manao dian-tongotra 56 km ireo mpibizina rongony vao tonga ao Ampasikibo Toliara, fokontany iray malaza ratsy efa hatry ny ela amin’ny fivarotana rongony. Tsy ny ao Toliara ihany no manjifa ny rongony avy amin’ny tapany atsimon’i Toliara iny, fa hatrany Toamasina sy Morondava ary eto Antananarivo, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny polisy, ka mampiroborobo ny fambolena sy varotra rongony any amin’iny tapany Atsimo Andrefan’ny Nosy iny. Etsy andaniny, tsy ampy fitaovana ny mpitandro ny filaminana amin’ny famongorana ny fiparitahan’ny zavamahadomelina, ka miliba ireo fahavalom-bahoaka mpanapoizina fiarahamonina.
Eric Manitrisa