- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Vomena 1kg niampy vola an-tapitrisany nisy nangalatra

Toliara : Vomena 1kg niampy vola an-tapitrisany nisy nangalatra

« Mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no aringana ». Tovolahy vao herotrerony anabavin’ny maty no nanararaotra ny fahoriana nianjady tamin’ny fianakaviany no nangalatra ny volamena iray kilao mahery kely, izay lova napetraky ny razamben-dry zareo ho an’ny fianakaviana, ka tsy mba nisy sahy nikasikasika mihitsy. Tsy vitan’izay fa mbola nofaohiny niaraka tamin’ity harembe lova ity koa ny vola rehetra azo tamin’ny famangiana manjo nataon’ny mpiara-belona. Noho ny fihetsiny hafahafa dia niahiahy azy avy hatrany ny fianakaviany, satria tsy vao sambany no nanaovan-dranamana heloka sy fahotana mahafaty toy izao.
Iray volana aty aoriana vao tratra. Iray volana no nikarohana azy, ka tamin’ny alàlan’ny findainy izay efa novonoiny tanteraka, saingy voatsindry tampoka ary nandeha ho azy no nahenoana ny resany sy ny sakaizany ary nahafantarana fa ao Antsirabe ity tovolahy ity no miliba. Natao ny vela-pandrika maty paika,ka azo soa aman-tsara ny anao lahy. Tamin’ny fotoana nahasamborana azy dia ampaham-bola roa tapitrisa ariary monja sisa tratra tany aminy. Tratra tsy nisy nanombinana kosa ilay volamena be. Ny rainy nahitany masoandro mihitsy no niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana nisambotra an’ity tovolahy ity ary nitondra azy nifatotra rojovy nitodi-doha tany Toliara, ka nampiditra azy avy hatrany any am-ponja nanampy isa ireo mpihinana mangahazo maina.

Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser