- Publicité -
samedi, novembre 1, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Zandary « Adjudant » iray, maty nazeran’ny moto nentiny

Toliara : Zandary « Adjudant » iray, maty nazeran’ny moto nentiny

Nisesisesy ny mpitandro filaminana namoy ny ainy tato ho ato. Zandary iray mitondra ny galona « Adjudant » no namoy ny ainy omaly, tany Toliara, maty nazeran’ny moto nentiny tamin’ny lalam-pirenena faha-9 iny.  Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana dia miasa eto Andrenivohitra ity zandary namoy ny ainy ity. Nahazo « permission » izy ka nandeha niala sasatra tany amin’ny kaominina Milenaka, distrikan’i Toliara II. Teny ambony moto nentiny ity zandary ity no nandona ankizy nitondra bisikileta. Maty tsy tra-drano ilay zaza, noho ny dona mafy nihatra taminy. Naratra mafy tsy maintsy nentina namonjy toeram-pitsaboana tao Toliara renivohitra kosa ity mpitandro filaminana ity, nefa tsy tana ihany koa ny ainy, noho ny fahaverezan-drà vokatry ny ratra mafy nahazo azy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici