Zandary mpiana-draharaha iray no namoy ny ainy rehefa avy nianjera avy eny ambony rihan’ny efitrano fatoriany, ny faran’ny herinandro lasa teo, tany amin’iny faritra Toliara iny. Tsy fantatra mazava izay nahatonga ny loza, raha ny fampitam-baovao azo. Fanahiniana natao sa nianjera tsy nahy ? Ny hany fantatra dia avy eny amin’ny rihana faharoa ity zandary mpiana-draharaha ity no nitotona tany amin’ny tany. Mbola vao maraina no nitrangan’izany. Nisahotaka ireo mpiara-miasa aminy, rehefa naheno feon-javatra nidoboka mafy dia mafy. Efa vatana tsy nisy aina intsony, anaty rà mandriaka no hitan’izy ireo. Nifamonjena avy hatrany ity zandary ity, nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana. Noho ny ratra maro nahazo azy anefa dia tsy tana intsony ny ainy. Marihana fa avy amin’iny faritra Antsohihy iny ity mpitandro filaminana ity, ary miana-draharaha tany Toliara. Naverina tao amin’ny tobin’ny zandary tany an-toerana ny razana alohan’ny hitondrana azy any amin’ny tany niaviany. Mety ho loza ho avy toy ny loza rehetra ihany ity tranga ity, hoy ny maro, kanefa toa be loatra ilay kisendrasendra, araka ny hevitr’ireo mpanara-baovao velona ahiahy. Marihina fa vao tsy ela tokoa mantsy izay no nahafaty ilay mpianatra ho zandary tany Ambositra, ary izao dia zandary mpiana-draharaha indray no namoy ny ainy.
m.L