Trangam-piaraha-monina hafakely no niseho tao amin’ny fokontany Amborongony Toliara afak’omaly. Izy mivady no miady ka ny zaza tsy manan-tsiny no saika hamidin-drangahy fito hetsy ariary tamina mpivady efa nahazoazo taona tsy niteraka. Niantso avy hatrany ny manodidina ireto mpivady raha nahita ny zava-niseho. Poa toy izany dia vory ny olona ka nosamborina avy hatrany ity raim-pianakaviana manodidina ny 35 taona eo ho eo tra-tehaka nikasa ny hivarotra ny zana-badiny.
Rehefa nofotorana lalina ity lehilahy voalaza fa mpangala-jaza amin’ny antony hamarotany an’io zaza, dia nivadibadika be tsy naharesy lahatra ny maro ny fanazavany sady nody adala ohatry ny olona mamon-drongony ireny izy, ka nisy tamin’ireo fokonolona niatrika teo no tezitra ka nidaroka azy. Renim-pianakaviana iray nandalo avy niatsena sendra mba nijery ny zava-nisy no nahafantatra azy mianaka ireto, ary niezaka nandresy lahatra ireo olona efa niakatr’afo sady nampiantso haingana
ny renin’ilay zaza. Tonga ity farany ary nanazava tamin’ireo olona marobe vory teo no sady latsa-dranomaso, ary nilaza fa nobataim-badiny an-keriny nentiny nitsoaka niridana hanaraka azy ilay zazalahikely vao telo taona monja nilalao teo an-tokontany taorian’ny fifamaliana mafy
vao maraina nisy teo amin’izy mivady.
Eric Manitrisa