Manahirana ny reny sasany ny mitaiza zana-bady, raha ny tranga tao amin’ny fokontany Ambohitrabo Toliara ny antoandron’ny alatsinainy teo ity no zohina. Zazavavikely vao enina taona monja notondrahan’ ny renikeliny rano mangotraka saika handrahoana vary, ka may nitsovaka ny tarehy sy ny ilan-tratrany. Voalaza fa tratran’ny renikeliny nangala-pihinana hono ilay zaza. Tsy nahatanty ny fahavoazana nanjo ny menaky ny ainy ny rain’ilay zaza, ka tezitra ary raikitra ny gidraka teo amin’izy mivady ary niafara tamin’ny fisarahana izany.
Kamboty. Raha ny loharanom-baovao, maty ny taona 2012 ny renin’ity zaza ity. Herintaona taorian’io naka vehivavy ho ravaky ny tokantranony rangahy. Tany am-boalohany anefa dia efa nametraka fepetra avy hatrany ity ramatoa ity, izay nilaza fa alefaso any amin’ny renibeny io zaza io, fa tsy te-hitaiza zana-bady aho. Nandà izany ilay raim-pianakaviana, satria zanany tokana io. Teo no nanomboka nipetraka ny disadisa teo aminy sy ilay zaza.
Manitrisa
Toliara : Zaza 6 taona nitsovaka tarehy voatondraka rano mangotraka
Articles qui pourraient vous intéresser