- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Zaza dimy maty nilalao tao anaty dobo

Toliara : Zaza dimy maty nilalao tao anaty dobo

Ankizilahikely iray vao dimy taona monja voalaza fa nilalao nanamorona dobo kely misy rano miandrona no maty an-drano, afak’omaly, tao Tsokobory Toliara. Tsy nisy nanampo ny loza ny rehetra, fa ilay zaza nibolisatra tampoka ary nilentika tsy nipoitra intsony no nanaitra ny manodidina. Raha ny fanazavana azo tamin’ ireo mponina monina tsy lavitra an’ity dobo kely fakan’ny orinasa sinoa manamboatra ny lalam-pirenena fahasivy rano ity, dia efa ankizy dimy izay no maty teo amin’io rano miandrona io tao anatin’ny herin-taona latsaka kely. 
Misy lolo? Amin’ny tranga toy izao moa dia samy manana ny fahitany ny zava-misy rehetra, ka misy amin’ireo mponina eny an-toerana sendra ny angom-baovaon’ny mpanao gazety no milaza, fa misy lolo hono io dobo kely hahitana rano miandrona tsy mety ritra mihitsy io na dia mahamaivay aza ny hain-tany. Noho ny loza nisesisesy, ary mba hisorohana ny loza tsy hitranga intsony amin’io rano miandrona io, dia angatahin’ny mponina ao amin’ny fokontany Tsokobory ny tokony hanotofana an’ ity dobo kely izay manintona ireo zazalahy ny mandro sy milalao rano eo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici