- Publicité -
mercredi, mai 28, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Zaza nangalam-pihinana, notsatohan-drenikeliny ny antsy

Toliara : Zaza nangalam-pihinana, notsatohan-drenikeliny ny antsy

Ankizilahikely iray sahabo ho 5 taona tratra nangalam-pihinana no naratra mafy notsatohan-drenikeliny ny antsy, omaly zoma hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany, tao amin’ny fokontany Motombe Toliara. Vongan-kena kely iray nalain’ilay zaza tao am-bilany no nahatezitra ity renikeliny, ka namonoany ny zana-badiny. Ilay zaza nandrapaka tany am-bavany ilay vongan-kena nalainy no hitan’ilay renikeliny. Tezitra mafy ity farany ka naka ny antsy avy nitetehana anana tsy lavitra teo, ary tsy nisalsala nanindrona ilay zaza, izay naratra nihosin-dra teo amin’ny sandriny havia. Nikoropaka ny tao an-trano, nentina haingana namonjy dokotera ilay zaza naratra. Ny zaza zaza ihany. Ny tendrom-po tsy mba namana, mety handatsahana ain’olona ! « Zaro amin’ny lalana tena izy ny ankizy mba tsy hihandrona aminao ny tsiny », hoy ny oha-pitenenantsika Malagasy.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser