Tsy mifidy sokajin-taona intsony ny asa ratsy ankehitriny. Tsy mampino, ankizilahy iray vao 10 taona monja no tra-tehaka namaky trano tany Toliara, omaly naraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany, tao amin’ny fokontany Tsimenatse. Efa tafiditra tao an-trano ity zazalahy tontakely no tonga tampoka ny tompon-trano avy nivavaka, ka noraisim-potsiny tamin’ny asa ratsiny izy. Poa toa izay dia vory ny olona ka nanafay an’ilay jiolahikely, satria tsy nety nilaza ny ray aman-dreniny sy ny toerana misy azy, na izay olona naniraka azy nanao ny asa ratsy ity mpamaky trano rehefa nofotorana lalina. Rehefa rapa tarehy sy nivonto molotra noho ny vono sy daroka nihatra taminy ny anao lahy, dia nifona mafy ary nilaza fa tsy hamerin-keloka intsony. Nitsetra azy ny tompon-trano ka namotsotra azy fa tsy naterina intsony tany amin’ny mpitandro filaminana. Tsy nisy nahafantatra an’ity boaikely mpamaky trano ity ny mponina, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa