- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToliara :Zazalahy 11 taona voatoton’ny omby, niboraka tsinay

Toliara :Zazalahy 11 taona voatoton’ny omby, niboraka tsinay

Ankizilahy iray mpiarak’andro no niboraka tsinay notrongisin’ny omby, omaly antoandro tany Andranovory, distrikan’i Toliara II. Tsy maintsy nentina haingana namonjy tobim-pitsaboana tany Toliara ity zazalahy ity noho ny ratra mafy nahazo azy. Araka ny vaovao voaray, dia nisy omby roa niady ka niezaka nanasaraka ireto biby ity mpiandry omby. Nitrifana ny omby iray ka nitrongy azy. Ireo namany niaraka niarak’andro taminy no nampandre haingana ny teo an-tanàna raha vao nitranga ny loza. Noho ny fahaverezan-drà be loatra, dia ahiana ny ain’ity zazalahy ity, satria nisy tapaka ihany koa ny teo amin’ny tratrany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici