- Publicité SW45 -
lundi, octobre 7, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Zazalahy 7 taona saika hamidin’ny nenitoany 10 tapitrisa

Toliara : Zazalahy 7 taona saika hamidin’ny nenitoany 10 tapitrisa

Trangam-piaraha-monina hafa indray no nitranga tany Toliara omaly. Nanizingizina ny renin’ilay ankizilahy 7 taona fa saika hamidin’ny rahavaviny roa tapitrisa ariary tamina vazaha ny zanany nipetraka tany aminy.  Somary sahirana ara-pivelomana ny renin’ity zazalahy ity ka napetrany tany amin’ny nenitoany misipa amina vazaha ny zanany, satria tsy harany ny sakafo sy ny fianarany. Nahazo loharanom-baovao avy tamin’ olona ity renim-pianakaviana ity, fa hoe « amidy amina vazaha antitra ny zanany ka halefa any an-dafy ». Nankany any amin’ny rahavaviny izy nanamarina ny resaka henony. Tsy fantatra izay niseho tao fa ny fifamaliana mafy teo amin’izy mirahavavy no nanaitra ny manodidina, ka vetivety dia niely eran’ny tanàna ny feo.
Manitrisa

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser