Tranga mateti-piseho ao Toliara tato anatin’ny roa taona ny halatra voamaso. Zazalahy kely iray enina taona, antsoina hoe Loby, no hita faty niboridana, omaly naraina, tao anaty efitranon-tsekoly iray tao amin’ny lycée Antaninarenina. Araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitr’ity sekolim-panjakana ity, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity zaza ity, ny alin’ny alahady teo, ary nesorin’ireo tsy mataho-tody ny voamasony roa. « Nilalao baolina niaraka tamin’ny ankizy namany tao amin’ny kianjam-pasiky ny CEG Antaninarenina i Lody, ny tolakandron’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny dimy ora. Tonga ny tamin’ny fito ora hariva, tsy mbola tonga tao an-trano izy, ka nokarohina tany, ary nilaza ny mpiambina an’ity sekolim-panjakana ity, fa tsy misy ankizy milalao sy olona intsony ato. Rehefa tsy hita popoka ny zanako, nandeha tany amin’ny Sefo Fokontany izahay, avy eo tany amin’ny polisy nampahafantatra ny zava-misy. Taorian’izay, tokony ho tamin’ny 12 ora alina, nandeha tany amin’ny rainy teny Betania, nefa tsy tany i Loby. Taitra mafy aho nony naraina ny andro, raha nisy nilaza, fa misy zaza maty eny Antaninarenina. Ny zanako izay, ary torana tsy nahatsiaro tena aho avy eo », hoy ny renin’ilay zaza maty, nanazava ny zava-nitranga. Efa misokatra moa ny fanadihadiana lalina ataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ity vono olona ity, ary andalam-pikarohana ny olona nahavanon-doza ny polisy ankehitriny.
Eric Manitrisa