Fainga tanana sady manala baraka amin’ny tany ama-monina, hoy ny rainy tezitra tamin’ity zazalahy vao valo taona monja nangala-bola tao an-trano, omaly naraina. Raha ny fanazavana azo, matetika ity boaikely ity no mangalatra izay hitany eny rehetra eny, na vola io na zavatra hafa. Tsy vitan’ny ao an-trano ihany izy no manao izao toetra mamoehatra izao fa hatrany ivelany. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy nahatsindry fo intsony ny rainy noho ny toetra ratsiny, ka naka antsy ary saika hanapaka ny tanany havanana. Raha tsy nalaky tonga ny reniny dia zava-doza no nitranga tao amin’ity tokantrano iray ao amin’ny fokontany Tsimenatse Toliara ity.
Talohan’izao, raha ny fanazavana azo hatrany, dia efa nodorana ny tanan’ity zazalahy ity nefa tsy nahafay azy izany. Hatramin’ny fitaovam-pianarana sy ny « gouter »-n’ny ankizy any an-dakilasy dia amboariny nanjifa avokoa. Vokatr’izany, bedy foana izy any an-tsekoly ka tsy nazoto nianatra intsony fa nivagabao eran’ny tanàna. Ny ray aman-dreniny koa alina foana vao tonga ao an-trano noho ny asa aman-draharaha sy ny fitadiavana. « Zanaka tiana tokoa tsy itsitsiana rotsan-kazo », hoy ny Ntaolo tompon’ny fahendrena.
Manitrisa