Zazamenavava, vavikely vao telo herinandro, no narian-dreniny teny amoron-dalana afak’omaly alina, tao an-tanànan’i Antabika, ao amin’ny fokontany Betsingilo, distrikan’i Toliara II, tsy lavitra ny toerana fampiadiana akoho antsoina hoe : « be pneu », ka nisy nahita tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany alina. Mpivady tanora sendra nandalo hamonjy fodiana no nahita an’ity zaza tsy manan-tsiny ity nitomany efa tsy nisy lamba intsony ka naka azy, sadaikatra ihany izy ireo tamin’ny voalohany. Amin’izao fotoana izao dia notezain’izy mivady ireto ity zazamenavava vao hitany ity. Soa ihany fa nisy ramatoa vao tera-bao teo an-tanàna ka mampinono azy. Hatramin’izao ora anoratanay izao, raha ny fampitam-baovao, dia mbola tsy fantatra ny reniny sy izay olona nanary an’ity zaza vavikely vao telo herinandro ity teo amoron-dalana, tsy lavitra toeram-panariam-pako.
Manitrisa