- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Zazavavikely tapa-tongotra ary torana tsy nahatsiaro tena voafaokan’ny fiara

Toliara : Zazavavikely tapa-tongotra ary torana tsy nahatsiaro tena voafaokan’ny fiara

Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana zaza tsy manan-tsiny indray tany Toliara,  omaly naraina, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any. Vokatry ny fandehanana fiara Mazda iray mafy no nitarika ny loza, raha ny voalazan’ireo nanatri-maso. Zazavavikely vao 10 taona monja no naratra mafy tapa-tongotra ary tsy nahatsiaro tena noho ny dona mafy nahazo azy voafaokan’ny fiara. Raha ny fantatra araka ny vaovao voaray dia vao avy nijery valim-panadinana CEPE Cisco Toliara II ity ankizivavy ity no nofaohin’ity Mazda nirimorimo be raha saika hiampita. Tsy tafajanona ilay fiara namoa-doza raha tsy tany metatra maromaro, satria tsy nahatsindry hisatra intsony ilay mpamily, izay voalazan’ireo nanatri-maso, fa nahenoana fofon-toaka, ary mbola nahitana tavoahangy sy vera nisy toaka tao anatin’ilay fiara nahavanon-doza.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici