- Publicité -
vendredi, décembre 19, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Zazavavy 14 taona afa-jaza teny an-dàlana

Toliara : Zazavavy 14 taona afa-jaza teny an-dàlana

Tovovavikely iray sahabo 14 taona eo, voalaza fa mpianatry ny CEG no afa-jaza tampoka teny an-dàlana, afak’omaly, tao amin’ny Fokontany Besasavy, amin’ny lalana mihazo ny oniversiten’i Maninday iny. Nanao dia maika fa natahotra ny ho tara fidirana vao maraina ity “ajampela” handeha hianatra ity.  Nitaraina narary an-doha sy fanina izy ka nijanona tampoka teny an-tsisin-dalana. Raha vao tafapetraka kely ity ankizivavy ity, dia nisy tsiranoka nibosesika nivoaka tamin’ny fivaviany.Akory ny hatairan’ ireo nanatri-maso, fa rehefa nojerena akaiky izany dia zaza tokony mbola hipetraka ao an-kibo no nivoaka. Rehefa nofotorin’ny ray aman-dreniny sy ny mpitsabo ity zazavavy tsy ampy taona bevohoka efa-bolana eo ity, dia tsy nety nilaza ny marina mihitsy : nananala zaza izy noho ny fihinanana fanafody na tambavy ravin-kazo, ary tsy nety nanondro ihany koa ny lehilahy nahabevohoka azy, raha ny fanazavana azo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici