Zazavavy vao 14 taona monja no niteraka kambana tany Angarazy Morombe ny herinandro teo. Maty teo am-piterahana ny zanany noho ny fahasarotana. Tsy vitan’ny mpitsabo tany an-toerana intsony ny fitsaboana an’ity ankizivavy ity, ka tsy maintsy nentina nitsabotena ao Toliara mba hanavotana ny ainy. Amin’izao ora anoratanay izao, mihatsara ny fahasalamany ary tsy misy ahiana ny aminy, hoy ny mpitsabo mandray an-tànana ny fitsaboana azy. Raha ny nambaran’ity zazavavy nitafa taminay omaly ity, dia voalohan-janany ireto vao naterany namoy ny ainy ireto. Noho ny Goragora eo amin’ny fitaizana, ny fomban-tany mbola mahazo laka sy ny fitiavam-bola diso tafahoatra vokatry ny fahantrana sy rendrarendra, dia lasa kely manao firaisana ny ankizy ary mitombo isa saika isan’andro ireo tsy ampy taona mitondra vohoka, manala zaza ary miteraka. Raha ny ao amin’ny hopitalibe Toliara fotsiny, mahery ny 20 isam-bolana ny tovovavy tsy ampy taona miteraka ao, hoy ny tomponandraikitra.
Manitrisa
Toliara : Zazavavy 14 taona niteraka kambana
Articles qui pourraient vous intéresser