Lozam-pifamoivoizana. Nandriaka indray ny rà tany Toliara, ny asabotsy antoandro teo, tokony ho tamin’ny 12 ora latsaka kely, tao amin’ny fokontanin’i Soanafindra Amborongony. Fiarabe iray nivily sady nandeha mafy no nandona mpianaka nandeha moto. Naratra be nivoa-dra teo amin’ny lohany ilay ramatoa, ka nentina notsaboina haingana aty an-drenivohitra, raha maty tsy tra-drano tataka kibo sy tapa-tanana havia vokatry ny dona mafy nahazo azy ilay zanany vavy vao 9 taona monja. Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny loza, dia nitsoaka avy hatrany ilay « camion semi-remorque » nahavanon-doza, ary mbola nanimba fiaran’olon-kafa tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny loza koa. Tratra tany Mitsinjo Betanimena rehefa nokarohina. Raha ny loharanom-baovao, dia nitondra hazo sarobidy voarara (andramena sy voamboana) ity fiarabe namono olona ity.
Eric Man