- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Zazavavy tratra nampiaraka, notsindromin-drainy ny antsy

Toliara : Zazavavy tratra nampiaraka, notsindromin-drainy ny antsy

Ny ankizy ve no kely veta sa ny rafi-panabeazana amin’izao no mivaralila ? Ny harivan’ny alakamisy teo, tao amin’ny fokontany Tsienenge, zazavavy iray 13 taona kilasy fahenina amina sekolim-panjakana iray ao Toliara no naratra notsindromin-drainy ny antsy. Raha ny angom-baovao dia tratran-drainy nampiaraka tamin’ny sipany tsy lavitra ny trano fonenan’izy ireo ny zanany rehefa avy nirava nianatra. Tezitra mafy ity raim-pianakaviana ity nahita ny zanany vavy nifadamoro (nifamihana sy nifanoroka) tamin’ny sipany. Naka antsy radada ary nanindrona ilay zava-maranitra ny zanany. Soa ihany fa nisolifatra sy nitsofoka teo ambany heliny havia ny antsy, fa saika zava-doza no nitranga raha tany amin’ny fo no niantefa ny antsy, hoy ireo nanatri-maso.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser