Nandratra olona tsy manan-tsiny hafa indray ny miaramila tany amin’iny faritry Toliara iny, ny faran’ny herinandro teo. Mikea iray, nambaran’ireo miaramila fa dahalo, mpandoro ala no niharan’ny herisetra. « Vely vody basy, niampy daroka sy vono » no nahazo azy hoy ny tompon’andraikitra Fikambanana miaro ireo Mikea any amin’iny faritra iny, ny « Mikea Forest ». Raha ny zava-nisy : nahita doro tanety tao faritra arovana, tao amin’ny ala mikea tamin’ny alalan’ny zana-bolana ny tompon’andraikitra teo anivon’ny sampandraharaha miandraikitra ireo valan-javaboahary eto amintsika, ny zoma lasa teo. Nidina teny an-toerana ireto farany niaraka tamina miaramila tany an-toerana ary nahatratra olona efatra. Teny an-dalàna anefa dia tafaporitsaka ny iray, hoy hatrany fampitam-bavaovao azo. Tsy nisalasa ireto mpisambotra fa avy hatrany dia nisambotra olona iray tao Vorehe. Ary tsy vitan’ny nisambotra fa mbola nampihatra herisetra ihany koa, raha ny nambaran’ity loharanom-baovao ity hatrany. Naratra mafy vokatr’izay ity lehilahy ity, izay mbola notazomina tao Tanimeva. Nandeha ihany koa mantsy ny feo fa voatondro ho dahalo izy, noho ny tsy fananany karam-panondro sy taratasy momba azy. Raha ny fantatra anefa dia isan’ireo mponina mikea ao anatin’io ala arovana io izy. Ary nanamarika ity tompon’andraikitra ity fa tsy dahalo io na olon-dratsy mpandoro ala fa « mikea » ary mpanampy azy amin’ny asa fanasoavana ataony any an-toerana, kanefa dia izao no mahazo azy. Amin’izao fotoana izao dia toa somary hadinodino tokoa ity ala manana ny maha izy azy any Atsimon’ny nosy ity sy ireo mponina ao anatiny izay isan’ny mampiavaka an’i Madagasikara. Ary izay indrindra no ezahin’ny Mikea Forest; izay tarihin’i Jean Claude Vinson voizina amin’ny maro. Manao antso avo araka izany ity fikambanana ity mba hijerena akaiky ity tranga ity, satria dia tena mampalahelo ny toy izao.
m.L