- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversTolo-tanana : Nitondra ny anjarany ny Polisim-pirenena

Tolo-tanana : Nitondra ny anjarany ny Polisim-pirenena

POLICEAraka ny toromarika avy amin’Andriamatoa praiminisitra lehiben’ny goverenemanta ho amin’ny voin- kava-mahatratra dia andro fiaraha-mientan’ny Malagasy, ho an’ny traboina vokatry ny rivo-doza Chedza sy ny kere any atsimo ny sabotsy 07 febroary 2015. Tonga nanatanteraka ny adidiny tetsy amin’ny trano fitehirizam-bokim-pirenena Ampefiloha, ny fianankaviam-ben’ny Polisim-pirenena, izay notarihan’Andriamatoa minisitra, ny Inspecteur Général de Police Randimbisoa Blaise Richard sy Ramatoa vadiny, niaraka tamin’ireo fikambanan’ny vadina Polisy sy Polisy vavy. Nambaran’Andriamatoa Minisitra fa ankoatra ny fanampiana mivantana avy amin’ny minisitera dia nisy ny tolo-tanana avy amin’ny polisy tsirairay ka nahafahana nanome ireo fanomezana ireo, izay mitentina 8 000 000Ar

Naneho ny fisaorana hatrany moa ny minisitry ny atitany nisolo tena ny fitondram-panjakana, nandray ny tolo-tanana.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser