Hiavaka, tsy toy ny fahita isan-taona ny fanamarihana ny fahatsiarovana ny datin’ny 29 mars 1947. Nosokafana ny andron’ny 28 febroary, ka haharitra iray volana ny fanamarihana an’izany, izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fiarovam-Pirenena. Tao amin’ny Toby Miaramila RM1 Analakely izay misy ny Fitaleanan’ny Mpiady Tia Tanindrazana (Direction des Combattants Nationalistes) no nanatanterahana izany.
Nohavaozina tanteraka io toerana io, ary natao mba hirakitra ireo tantara sy sary maro mahakasika ny tolom-panafahana nataon’ireo maheryifon’ny Firenena, ka nahazoana ny fahaleovantenan’i Madagasikara izay hankalazaintsika amin’ny faha-26 jona ho avyizao ny faha-60 taonany. Tonga nanome voninahitra ny lanonana fanokafana ny Minisitry ny Fiarovam-Pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard. Nandritra izany no nitokanany ny toerana Fitaleanan’ny Mpiady Tia Tanindrazana, izay vao nohavaozina ao Analakely ity. Nandritra ny lahateny nataony dia nanamafy ny Minisitry ny Fiarovam-Pirenena fa « Ny tantara tsy fanadino », ary tokony hotsarovana isan-taona, isan’andro, ary isa-minitra mihitsy ny nataon’ireo zoky raiamandreny teo aloha, maherifo, niady mafy ka nahatonga an’i Madagasikara amin’izao toerana misy azy ankehitriny izao. Firenena mahaleotena, manana ny fiandrianany eo anivon’izao tontolo izao. Izay indrindra no mahatonga ny fitondrana ankehitriny, ny tafika sy ny foloalindahy Malagasy, hanome lanja syvoninahitramanokanaitydatymanan-tantaraity, ka isan’izanynyfitsinjovanamanokanaireompiadytiatanindrazana, izaymbolamisy 954 no mbolavelonaamin’izaofotoanaizao.
Mahakasika ireto farany dia nambaran’ny Kôlônely Rasoloniaina Henintsoa Gabriel, izay lehiben’ny Fitaleavana ny MpiadyTiaTanindrazana, nandritra ny fandraisany fitenenana tamin’ity lanonana ity, fa efa vitany fanavaozana ny Karapotsy ho an’ny fiahiana ara-tsôsialy an’ireo olona ireo. Ankoatr’izay dia hisy ny hetsika manokana hizarana fanomezana ho azy ireo sy fitsaboana maimaim-poana ho an’ireo izay mihoatra ny 65 taona. Nambarany ihany koa fa izao hetsika fampirantiana izay natomboka teo Analakely izao dia hoentina mitety faritra, mba hamelombelomana indray ny fitiavan-tanindrazana ao am-pon’ny Malagasy, ka kendrena manokana amin’izany ireo ankizy sy tanora izay antoky ny hoavin’ny Firenena rahampitso. Ny tarakevitra noraisina hanamarihana ny fankalazana amin’ity taona ity moa dia ny hoe : « Tolom-panafahana 1947, Ilo tsy very enti-mampandroso ny Firenena ».
T.M.