Tsy maintsy hiatrika fandidiana maika ny mpitandrina Rahagalahy Andrimiadanarivo ny 10 aprily izao, noho ny tsy fahasalamana mahazo azy. Eo anatrehan’izany, ny vady aman-janany miaraka amin’ny Antoko mpihira Ny Mpitory, dia miangavy an’ireo rehetra tia asa tsara hifarimbona ka hanolotra izay foy ho famonjena azy. Afaka manatona eny amin’ny trano vadim-piangonana FJKM Ambondrona Firaisana ianao na handefa izay foinao ao amin’ny compte Mvola : 034 68 036 23 – compte bancaire BFV Behoririka 0000 8 21000 908 166 71.
Amin’ny alatsinainy faha-6 aprily izao, hisy fanompoam-pivavahana sy Antsan-kira manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana.