- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTomboarivo Antsirabe : Tokantrano iray voatafika, ramatoa bevohoka saika voaolana

Tomboarivo Antsirabe : Tokantrano iray voatafika, ramatoa bevohoka saika voaolana

Mirongatra indray ny vaky trano eto Antsirabe sy ny manodidina. Tokantrano iray indray mantsy no lasibatra tao Tomboarivo. Omaly alina tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany no nambaran’ny tompon-trano fa tafiditra ny trano ireo jiolahy. Tsy nisy nahare ny nidirany tao an-trano izahay, hoy ny fanazavana, fa ireo jiolahy efa nanambana basy no nanaitra azy mivady teo am-padriana. Roa lahy aloha no tazany tao an-trano raha ny fanazavana  fa reny  kosa fa nisy naman’izy ireo niandry tany ivelany. Marihina fa misy trano iray hafa itoeran’ny mpiambina ao ivelan’ny trano. Ireto farany tsy misy taitra akory nandritra ny fanafihana. Nandrahona ny hamono hahafaty ireo jiolahy raha tsy manome izay notadiaviny, ka vola 9 000 000 ariary no lasany tamin’izay. Ankoatra izay, noraofin’ireo jiolahy ihany koa ny entana lafovidy sy ny finday ary ny firavaka sarobidy rehetra. Tsy vitan’izay fa mbola nikasa hanolana ilay ramatoa ireo olon-dratsy, nasainy nesorina ny kilaotin’ilay ramatoa ka tazany fa bevohoka efa miandry andro sisa ilay renim-pianakaviana ka tsy notanterahiny ny filan-dratsiny. Talohan’ny nandehanan’ireo jiolahy nivoaka ny trano, nafatony  izy mivady ka ilay ramatoa ny tongony ihany no nagejainy. Rehefa lasa ireo jiolahy, novahan’ilay ramatoa ilay tady namatotra ny vadiny, rehefa voavahany zany dia namoha avy hatrany ireo mpiambina no nataony. Tsy nisy nifoha anefa ireto farany ka nanatona mpitandro filaminana ilay rangahy. Nahavariana fa nivoha indray ny varavaran-kelin’ny mpiambina rehefa tafaverina ilay rangahy niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Niroso ny fanadihadiana ka nakana alika mpitsongo-dia an’ny zandarimaria Ivato Antananarivo ity fanafihana ity. Rehefa nanao ny asany ilay alika dia tokantrano iray tsy lavitra teo ihany no nidirany. Na dia naverimberina matetika aza ny fikaraohana nataon’ny alika dia tsy niala tao amin’io tokantrano io ilay biby. Tsy tao ilay rangahy tompon-trano fa ny vadiny no tao, ary efa miroso amin’ny fikarohana azy ny mpitandro filaminana amin’izao. Marihina hoy ny tompon-trano fa tsy nisy vaky ny varavana fidirana tao an-trano, indrindra fa ny tany ambany rihana, ka mampanahy azy ireo fa mety tsy nanao ny asany ireo mpiambina, ireto farany mantsy no miandraikitra ny fanidiana ny trano, hoy hatrany ny fanazavana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici