- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversTompon’andraikitra iray ao Vavatenina : Nametaveta ankizy mpianatra, bevohoka ity farany ankehitriny…

Tompon’andraikitra iray ao Vavatenina : Nametaveta ankizy mpianatra, bevohoka ity farany ankehitriny…

Lasa matahotra ny hoavin-janany ireo ray aman-dreny mampiana-janaka ao Vavatenina amin’izao fotoana izao, noho ny afitsoky ny tompon’andraikitra iray any an-toerana. Raha ny vaovao azo avy any an-toerana mantsy dia tena mampiteny ny anarany amin’ny fanimbana ankizivavy mpianatra ity olona ambony ity. Manam-bady aman-janaka izy, saingy tsy mahatanty ny mena miraviravy amin’ireto mpianatra ao Vavatenina.

Ny vaovao avy any an-toerana no nahalalana fa 3 ireo ankizivavy mpianatra no nosimbain’ity tompon’andraikitra ity tamin’ity taona 2022. Isan’izany ny mpianatra taona fahatelo, na T3 teo anivon’ny EPP Tsarahonenana, Zap Maromitety, izay vao 10 taona monja. Ny fampitam-baovao no nahalalana fa mbola tsy afaka mandeha mihitsy ilay ankizivavy noho fametavetana natao azy fa mbola marary mitsabo tena. Ankizivavy iray hafa koa, tao amin’ny Zap Miarinarivo, no efa lasibatra ary mbola marary tsy mety sitrana koa hatramin’izao fa mandeha rà lava ny fivaviany. Mahoraka ao Vavatenina ity raharaha mahasaringotra ity tompon’andraikitra ity, saingy tsy sahy mitory ny voany noho ny tahotra fanjakana sy biraom-panjakana, indrindra fa ny mpitandro ny filaminana.

Fantatra anefa izao fa naha-bevohoka ankizy mpianatra 16 taona ity tompon’andraikitra ao Vavatenina ity amin’izao, ary raha natao ny fanadihadiana dia efa enim-bolana an-kibo ilay zaza ankehitriny. Mpianatra ao amin’ny CEG “classe de 4éme” ao Ambohibe ity ankizivavy bevohoka ity. Mandranto fianarana ao Vavatenina izy fa avy any Ambodimangavalo ny fiaviany. Raha ny vaovao dia efa nanomboka ity ankizivavy ity “classe de 6éme” no efa niarahan’ity tompon’andraikitra ity. Efa in-3 bevohoka izy, saingy nesorina hatrany ny roa tany aloha. Ity iray farany ity no tsy fantatra izay hiafarany, hoy ireo vavolombelona mahalalana tsara ny raharaha ao Vavatenina, na efa nasain’ilay tompon’andraikitra hoesorina aza, fa tsy misy mety amin’ny fanalana izany intsony ireo mpitsabo tao Vavatenina sy tao Fenerivo atsinanana. Taorian’ny fialan-tsasatry ny fetin’ny maty teo dia nasainy nijanona tsy mianatra intsony ilay ankizivavy, ary napetrany hokarakarain’ny rahavaviny mipetraka ao Fenerivo atsinanana tampon-tanàna.

Ankoatra izany dia tsy misy sahy mijoro mitory ity tompon’andraikitra Vavatenina ity ireo vahoaka sy ireo niharam-boina tany an-toerana. Voalaza fa mirehareha fatratra ity tompon’andraikitra ity fa manana mpiaro, ka isan’izany ireo olomboafidy iray ao Vavatenina izay lazainy fa nametraka azy eo amin’ity toerana ary hireharehany fa miaro azy lalandava amin’ny zavatra rehetra ataony. Izy rahateo manana rohim-piahavanana amin’io olomboafidy avy any an-toerana, araka ny vaovao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici