- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversTonelina Ambohidahy : Raikitra ny fanendahana anaty fitohanana

Tonelina Ambohidahy : Raikitra ny fanendahana anaty fitohanana

Tao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana no nanararaotra ny asaratsiny ireo mpanendaka. Ny asabotsy teo no nisian’izany tao ambany tonelinan’Ambohidahy. Ny sasany mikapokapoka ilay fiara ary ny sasany kosa nampidina an-keriny ny fitaratr’ilay fiara. Tsy nisy azon’ ilay mpamily natao intsony tao anatiny, satria sady be no ho ny vitsy no tsy afa-nitsoaka rahateo. Lasa tao anatin’izany ny finday Iphone V, raha araka ny fanamarihana azonay. Ny tena nahatalanjona ny maro, dia ny fahasahian’ireo olon-dratsy : sady amin’ny andro antoandrobe no amin’ny ora maha-be olona mivezivezy sy fiara mifamoivoy no nanaovan’ireo asaratsy. Asa, toa ireny fihantsiana ireny mihitsy ny fiheveran’ny maro ; izay indrisy fa mijery fotsiny sisa rehefa mitranga ny fanendahana. Raha ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana, dia manomboka misintaka tsikelikely amin’ny toerana mafampana izay matetika efa misy voafehy ireo olon-dratsy ankehitriny. Raha ny fijerin’ny olon-tsotra indray anefa dia tsikaritra fa efa sahy miditra ampivoan-tanàna ireo mpanendaka anaty fiara. Tamin’ny herinandro teo mantsy dia saika tany amin’iny làlana digue sy 67ha iny no matetika fanaovan’ireo izany asaratsy izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser