- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversTonelina Ambohidahy : Roalahy tratra nanendaka

Tonelina Ambohidahy : Roalahy tratra nanendaka

Tamin’ny alahady hariva teo, olona iray no sendra mpanendaka roalahy teny amin’ny tonelina Ambohidahy. Tsy nanaiky anefa ilay voaendaka fa narahany hatrany ireo naka ny fananany ka tratrany teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be teny Ambohijatovo. Tsy afaka nihetsika ireo roalahy ary dia nalain’ilay olona ny entany. Sahirana ihany anefa izy, satria dia ho sarotra taminy ny hitondra ireo bandy any amin’ny polisy. Izy rahateo nandeha irery. Marihina fa tena mbola tanora dia tanora ireo bandy ireo. Voalazan’ity niharan’ny endaka ity fa efa fotoana elaela no nanendaka teny amin’iny toerana iny ireto roalahy ireto. Nisy fotoana avy nisintona telefaonin’olona izy ireo no nenjehan’ity olona ity ,saingy tsy tratrany tamin’izay.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser