
Tato anatin’ny herinandro dia nanao hetsika ho famongorana ireo asa ratsy manjaka eny amin’iny distrikan’Ambohidratrimo iny ny vondron-tobim-paritry ny zandary eny an-toerana. Hetsika izay nahitam-pahaombiazana hatreto satria fantatra fa nahatratra hatrany amin’ny 14 tany ho any ny isan’ireo tontakely voasambotra tao anatin’izany. Araka ny fanazavana dia azo dia isan’ireo olon-dratsy mandoto ny tanana izy ireo ary efa malaza ratsy amin’izany resaka izany. Ao anatin’ireo ny mpifoka rongony, misy ireo mpamaky trano ary ny mpanao sinto-mahery eny an-toerana. Mazàna moa dia saika efa fantampatatra daholo ihany izy ireo, ary ny fitarainan’ireo mponina sy ireo olona sendra mandalo teny an-toerana no nanosika ireo mpitandro filamanana hanao izao hetsika izao. Nanerana ireo tanana sy kaominina maromaro teny amin’iny distrika iny no nanaovana izany fisamborana izany. Milaza moa ny teo anivon’ny zandary fa tsy mitsahatra ny hetsika raha tsy fongotra tanteraka ireo asa ratsy ataon’ireo tontakely. Ary ireny karazan’olona ireny dia tsy maintsy faizina fa mety mahavita manala ny ain’ireo tsy manan-tsiny ka tsy hananan’izy ireo antra.
m.L