- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversTontolon’ny zava-kanto eto Toamasina : Nodimandry i Manda mpitendry “batterie”-n’ny tarika “Farthem”

Tontolon’ny zava-kanto eto Toamasina : Nodimandry i Manda mpitendry “batterie”-n’ny tarika “Farthem”

Nodimandry ny sabotsy misandratrandro teo i “Manda”, na Ramandandrainy amin’ny tena anarany, noho ny fahatapan’ny lalan-drà nahazo azy ny zoma lasa teo. Tao amin’ny hopitaly manara-penitra na hopitaly oniversitera Morafeno no nitsaboana azy, ka izao tsy tana izao ny ainy na efa nanao ny ezaka rehetra aza ny mpitsabo azy tamin’izany. I Manda na Ramandandrainy dia mpitendry “batterie” no tena nahafantaran’ny mpanakanto azy teto Madagasikara. Maro ny mpanakanto malagasy sy teto Toamasina no efa nitendreny “batterie”. Vao 10 taona izy dia efa nisehatra tamin’izay fitendrena “batterie” izany ka ny tarika “Éclair” tao Anjoma no nisy azy tamin’izany. Taorian’izay sy noho ny fahaizany dia nalain’ny “Super-Seth” ny tenany. Raha nizara roa ny “super-Seth” taty aoriana dia nanangana ny “FARTHEM” izy ireo ka ny anaran’ireo mpanangana azy ihany no natambatra ho anaran’ny tarika; izay nisy an’i Flora – i Albert efa nodimandry – i Thierry mihira any Antsirabe amin’izao – i Hassy na Pika efa nodimandry, i Eva, ary i Manda izay vao nodimandry ny sabotsy misandratrandro teo. Namela kamboty dimyizy, misy amin’ireo zanany no nanara-dia azy amin’ny fitendrena “batterie”, sy mananontena , amin’izao fotoana izao. “Mifankatiava ihany raha mbola velona”, hoy i Jean Kely tamin’ny mpanao gazety. Nohamafisin’i Jean Kely hatrany fa omeo ny artista raha mbola velona ny fitiavana azy fa tsy ity vao maty vao ramalala lava ity no iainan’ny artista eto Toamasina. Nandray an-tanana izao fahoriana mianjady amin’ny mpanakanto eto Toamasina izao ny fikamban’ireo mpanakanto tarihan’i Nantenaina. Ny Gazety dia mirary fihononana feno ho an’ny fianakavian’ny tpkl Manda sy ny mpanakanto eto Toamasina ary ny mpanakanto malagasy manontolo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici