- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilFaits-DiversTosika Fameno : Ramatoa nisoloky, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Tosika Fameno : Ramatoa nisoloky, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Iza tokoa ny hanampo hoe vehivavy lehibe, mihaja tahak’io dia hanana toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany tahak’izany.

« Notakiany 500 ariary isan-tokantrano ireo olona ary nampanantenainy 250 000 ariary, ilay tosika fameno … ». Raha vao resaka vola tokoa dia tsy maintsy misy ireo olona hanararaotra, ho tia kely sy hisoloky ny namany. Toy ity nitranga tetsy Ankeribe, fokontany Mandroso, kaominina Alakamisy Anosiala ity, raha nangalan’ity ramatoa iray vola daholo indray ny olona, nambarany fa hahafahana misitraka ilay fanampian’ny marefo avy amin’ny Fanjakana. Soa ihany, nisy nampandre avy hatrany zandary ary tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny ramatoa. Ny loza dia saika nianjera tany aminy daholo ny hatezeran’ireo vahoaka nangalàny vola, saingy voasoroka mialoha ny fisian’ny korontana sy ny mety ho fitsaram-bahoaka.

Raha ny fampitam-baovao azo dia, nanomboka ny voalohandohan’ny herinandro teo ramatoa, izay milaza ho iraka avy amin’ny Fitondram-panjakana no nitety tokatrano maromaro teny an-toerana. Nandahatra sy niezaka nampiresaka nifanena taminy izy fa hoe handray ny anaran’ireo olona hisitraka ny tosika Fameno. Ho sandan’izany anefa dia mila mandoa vola any aminy. « Maro ireo saika voajonony ka olona nanodidina ny 300 isa no voaangony ary teo am-pitadiavana toerana malalaka nolazainy fa handraisany ny anaran’ireo olona ireo no nisy niantso niantsoana ny zandary »

Vaky barara teo ny lainga, satria rehefa niezaka nitaky ny taratasy fanamarinana ny iraka nataony ireo mpitandro filaminana dia tsy nanana izany akory ravehivavy. Teo no nanomboka niakatra ny hatezeran’ny olona, saingy voalamin’iretsy voalohany izany. Nentina nihazo ny birao avy hatrany moa ity farany, izay noahiahiana ho mpisoloky ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy, nialohan’ny nanolorana ny raharaha teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici