Mitohy hatrany ny hetsika entina hamongorana ireo totakely sy mpangarom-paosy ataon’ireo mpitandro filaminana amin’ireo faritra mafana eto an-drenivohitra. Teny amin’iny faritra Anosizato iny, dimilahy amin’ireo totakely, mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy eny an-toerana no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobin-jana-paritra Anosizato. Hetsika fikarohana sy fanadiovana tanàna, niarahana tamin’ny tobim-paritry ny zandary tao Fenoarivo. Araka ny angom-baovao azo dia niainga tamin’ny fitorian’ny lasibatra iray tetsy Ankazotoho, Anosizato ny fisamborana azy efa-dahy ireto. Mpitaingina bisikleta izy ireo ary lasan’ireo tsy valahara tamin’izany ity fitaovam-pitaterana ity, niaraka tamin’ny finday sy ny vola dimy alina ariary. Somary efa fantapantatra ihany mantsy ireto totakely ireto ary io nidinan’ny mpitandro filaminana teny an-toerana io. Andian-jatovo maromaro izy ireo, izay mazàna tsy ampy taona ny sasany. Efa-dahy no voasambotra aloha, izay 15 taona ny telo, 16 taona ny iray ary 18 taona ny zokiny indrindra. Notanana natao famotorana avy hatrany ry zalahy ireto. Fantatra tamin’izany fa ry zalahy ireto no isan’ireo mpanao asa ratsy eny amin’ny manodidina ary isan’ireo nanendaka ity mpitaingina bisikleta ity. Taorian’ny fakàna am-bavany azy ireo teny anivon’ny zandary moa dia efa natolotra ny Fampanaovana ny alatsinainy teo izy ireo ary samy nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary.
m.L