- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-Divers« Tournage » namoa-doza : Tovolahy iray maty an-drano tao Andraikiba

« Tournage » namoa-doza : Tovolahy iray maty an-drano tao Andraikiba

Zava-doza no niseho tao amin’ny farihin’Andraikiba ny alakamisy lasa teo. Tovolahy iray no namoy ny ainy, raha teo am-panodinana horonantsary izy ireo. Araka ny fantatra dia nitsambikina tanaty rano ity tovolahy ity sy ny namany maromaro no sady nalaina sary. Tsy nipoitra intsony anefa izy.

Raha ny angom-baovao azo avy any an-toerana dia toa hoe tanora amina fiangonana iray izy ireo. Saika hanodina horonan-tsary alefa amin’ny fetin’ny Noely ho avy izao izy ireo no sady mba mitsangantsangana ihany koa angamba. Mazava ho azy, misy hidirana rano sy sambo kely ilay horonantsary natao ary dia teny am-povoan-drano araka izany no natao. Eo no mifamahofaho be ihany ny fitantaran’ireo nanatri-maso ny zava-nisy, araka ny miparitaka anaty tambajotra sosialy. Misy ireo milaza mantsy fa hoe ilaina ary isan’ny tafiditra tao anatin’ilay horonantsary ny fisiana olona maromaro mitsoraka ao anaty rano. Etsy andanin’izay dia misy filazàna hafa ihany koa mitantara fa efa vita ny fanodinana ilay horonan-tsary ary efa namonjy ny moron-drano izy ireo. Noheverina fa marivo ity moron-drano ity ary tapa-kevitra ny haka sary miara-mitsambina anaty rano ireto tanora ireto. Valo izy ireo no niara-nitsambikina tany anaty rano araka izany. Voalaza anefa teo fa nisy efatra tamin’izy ireo no tsy nahay nilomano akory ary teo vao fantatra fa lalina loatra ilay rano. Niantso vonjy ireto farany ary avotra soa aman-tsara ny telo, saingy tsy nipoitra intsony kosa ilay tovolahy fahefatra. Nikoropaka ny rehetra. Niezaka nitady azy tao anaty rano ny namany saingy indrisy. Adim-pamantaranandro iray taty aoriana vao hita ilay tovolahy saingy efa ny vatana mangatsiaka sisa no nampiakarina tao. Efa nampandrenesina mahakasika ity loza ity moa ireo tompon’andraikitra tany an-toerana. Naterina tany amin’ny tranom-paty kosa ny razana natao fitiliana ary nomena ny fianakaviana avy eo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici