Tratrany niaraka tamin’ny lehilahy hafa ilay sipany ny alarobia tolakandro teo, ka namono tena nitelina fanafody marobe ity tovolahy vao 17 taona, monina ao Tsimenatse Toliara, tsy nahazaka olana ara-pitiavana. Avy eo mbola nandeha niroboka tao amin’ny ranomasina. Efa reraka be tao anaty rano io tovolahy io no nisy mpanjono handeha hody hariva tonga namonjy azy. Raha ny fanazavana azo dia efa ela ity tovolahy ity sy ny sakaizany no nisy olana io ka izao nanapa-kevitra ny hamono tena izao ny tenany.
Eric Manitrisa