Araka ny fanazavana dia hamonjy fodiana avy namonjy fianarana amin’ny alina (cour du soir) tao amin’ny Epp Manareza izy izao tra-doza, ny alin’ny alatsinainy, teo amin’ny fiholanana eo amin’ilay faritra antsoina hoe “Dossan”. Mianadahy izy ireo no niaraka tra-doza avy nianatra hariva, noho izy ireo manomana fanadinam-panjakana ho avy dia ny Bakalorea sy ny fanadinana Bepc. Zanak’olona mpirahavavy ireto niharan-doza ireto, ka ilay vavy dia mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly Be hatreto, fa ilay lahy izao maty raha nahiditra hopitaly koa noho ny fahavoazana mafy nahazo azy. Araka ny fanazavana nomen’ny fianakaviany dia fanaon’izy mianadahy ireto ny mitaingina moto mandalo eo amin’ity toerana naha-tra-doza azy ireo ity, satria iny lalana iny no akaiky raha hamonjy fodiana ao Tsarahonenana izy mianadahy. Efa mikarakara ilay lahy maty ny fianakaviany izao, ilay mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly be kosa mbola tsy fantatra ny hiafarany, fa raha ny vaovao dia mihatsara ny fahasalamany amin’izao fotoana izao na mafy ihany ny fahavoazana. Raha ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana dia matetim-pitranga ny lozam-pifaoivoizana eo amin’ity fiholanana amin’ny « Dossan » ity, izay no mahatonga ny famantarana maro napetraka eny an-toerana eny, hoy ny mpitandro ny filaminana. Mirary fionona ho an’ireo mana-manjo sy mirary fahasitrana haingana ho an’ilay mbola mitsabo tena maratra.
Malala Didier