- Publicité -
samedi, mai 31, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Tovolahy iray maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana

Toamasina renivohitra : Tovolahy iray maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana

Araka ny fanazavana dia hamonjy fodiana avy namonjy fianarana amin’ny alina (cour du soir) tao Epp Manareza izy izao tra-doza, ny alin’ny alatsinainy, teo amin’ny fiholanana eo amin’ilay faritra antsoina hoe “Dossan”. Mianadahy izy ireo no niaraka tra-doza avy nianatra hariva, noho izy ireo manomana fanadinam-panjakana ho avy dia ny Bakalorea sy ny fanadinana Bepc. Zanaka olona mpirahavavy ireto niharan-doza ireto, ka ilay vavy dia mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly Be hatreto, fa ilay lahy izao maty raha nahiditra hopitaly koa noho ny fahavoazana mafy nahazo azy. Araka ny fanazavana nomen’ny fianakaviany dia fanaon’izy mianadahy ireto ny mitaingina moto mandalo eo amin’ity toerana naha-tra-doza azy ireo ity, satria iny lalana iny no akaiky raha hamonjy fodiana ao Tsarahonenana izy mianadahy. Efa mikarakara ilay lahy maty ny fianakaviany izao, ilay mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly be kosa mbola tsy fantatra ny hiafany, fa raha ny vaovao dia miha-tsara ny fahasalamany amin’izao fotoana izao na mafy ihany ny fahavoazana. Raha ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana dia matetim-pitranga ny lozam-pifaoivoizana eo amin’ity fiholanana amin’ny « Dossan » ity, izay no mahatonga ny famantarana maro napetraka eny an-toerana eny hoy ny mpitandro ny filaminana. Mirary fohonona ho an’ireo mananjosy mirary fahasitrana ahainga ho an’ilay mbola mitsabo tena maratra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici