Raha tsiahivina, tovolahy iray no nisy nanendaka tao Tsarasoatra ny volana jona lasa teo nandritra ny fankalazana ny « fête de la musique ». Avy nitendry tao amin’ny Alliance Française ity tovolahy ity, hamonjy fodiana tokony ho tamin’ny 2 ora sasany maraina no nifanehatra tamin’ireo jiolahy. Tsy vitan’ny nendahana fotsiny izy fa maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, dian’antsy maromaro no hita tamin’ny vatany taorian’ny fizahana nataon’ny teo anivon’ny BMH sy ny mpitandro ny filaminana ny datin’ny 21 Jona lasa teo.
Iray no efa voasambotra tamin’ireo nahavanin-doza ary efa nahiditra am-ponja vonjy maika miandry fitsarana azy. Roa volana taty aoriana fantatra izao fa nisy namany hafa voasambotra.
Vaovao avy tamina olona tsara sitra-po no nahafantaran’ny mpitandro filamininana fa misy roa lahy nandray anjara tamin’io famonoana olona io no nitsoaka any Ambositra.
Nanao ny asany ny mpitandro filaminana, niroso tamin’ny fanadihadiana lalana, nidina tany Ambositra ny datin’ny 27 Aogositra nanao ny fisamborana rehefa nahazo alalana tamin’ny fitsarana.
Voasambotra ny roa lahy noho izany, niaky izy ireo tamin’ny fakana am-bavany azy fa nandray anjara mivantana tamin’ny fanendahana sy famonoana ilay tovolahy.
Natolotra ny fampanovana omaly izy roa lahy, niditra am-ponja avy hatrany miandry ny fitsarana azy.
Tsy mihambo ho mahavita tena ny mpitandro filaminana amin’ny fahazoana vaovao tsara tahaka izao ary misaotra ireo olona tsara-sitrapo nahazoana ny vaovao maripototra ka nafahana nisambotra ireo jiolahy mpamono olona ireo. Manentana hatrany ny mpitandro filaminana amin’ny fiaraha miasa tahaka izao fa ho tazomina tsiambara telo izany.
Andry N.