Nampisy resa-be tao Toamasina hatramin’izao ilay tovolahy 23 taona antsoina hoe “Niola” nahavita nandoro efitranom-pitsarana tao amin’ny fitsarana ambony ny talata lasa teo. Misy ny midera ny herim-pony amin’ny hafitsoky fitsarana tsy mampihatra ny “fiarovana ny osa sy ny malemy”, tao kosa ireo nanakiana azy ho “tsy nisaina vao nanao ny zavatra noeritreretiny”. Ao anatin’izay anefa dia misy hatrany ny vaovao voaray amin’ny tena antony nanosika ity tovolahy ity nanao iny fihetsika eo anatin’ny “heloka be vava” iny. Raha ny angom-baovao natao mikasika ny raharaha dia diso efitranom-pitsarana ny tenany nandritra ny fitsarana ilay sakaizany, izay voalazany fa nifonja vonjimaika noho ny antsonjain’ny fiarahamonina fotsiny tamin’ny resaka halatra. Ny fanazavana no nahafantarana fa tsy nihemotra akory ny fitsarana ny antontan-taratasin’adin’ity sakaizany ity, saingy efitranom-pitsarana hafa no nitsarana ny raharaha fa tsy ilay efitrano nidirany nikasany hanarahana ny fandehan’ny fitsarana. Raha io fanazavana io hatrany dia nivoaka tamin’io talata io ihany ny didim-pitsarana mikasika ity sakaizany ity, ary nohafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana ilay sakaizany nandritra izany noho ny tsy fahafenoan’ireo antontan-taratasin’ady manenjika azy tamin’ilay halatra voalaza fa nataony nifonjany vonjimaika. Ny fanazavana hatrany no nahalalana fa vao niditra taona voalohany eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina amin’ny sampam-pianarana lalàna i Niola, raha avy nanao ny taranja ara-toe-karena tao Ankatso. Avy any Mandritsara ny fiaviany toy izany koa ity sakaizany narovany mafy ity. Ankoatra izany dia fantatra ihany koa izao mba tsy hiazonana azy am-ponja ela loatra amin’ny resaka fanetavetana ny repoblika tamin’ny fandorana sainam-pirenena, sy fandorana efitranom-pitsarana ary fanivaivana mpitsara, dia hatao ny 19 oktobra ho avy izao ny fitsarana azy. Koa ho hita eo na hiazona ny famonjana azy ny fitsarana na hananatra ity tovolahy ity fotsiny.
Malala Didier