- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTovolahy roa maty tao Ambalakisoa Toamasina : Miditra amin’ny elanelam-panahy ny SEG...

Tovolahy roa maty tao Ambalakisoa Toamasina : Miditra amin’ny elanelam-panahy ny SEG amin’ny alalan’ny Jly Tsirivelo Nicolas

Taorian’ny 72 ora nomen’ny zanaky ny atsimo sy atsimo atsinanana sy ny fianakavian’ny maty momba ireo tovolahy roa maty voatifitry ny zandary izay mbola mifamahofaho ny antony nahafaty azy ireo hatramin’izao, dia mandeha haingana be ny mikasika ity raharaha ity izao. Efa mandeha ny fanadihadiana teny amin’ny zandary misahana ny heloka be vava Toamasina araka ny fitorian’ny fianakavian’ny maty. Efa nahavita ny azy ireo fianakavian’ny maty sy ny vavolombelona. Izao kosa dia fantatra fa eo am-pakana am-bavany ireo zandary “dimy” voarohirohy ny zandary mpanao fanadihadiana izao. Ny nanaitra ny fianakavian’ny maty sy ny vavolombelona ary ny fikambanan’ny zanak’ atsimo sy atsimo atsinanana dia ny fampiantsoana azon’izy ireo teny amin’ny fampanoavana ny 05 febroary teo nanao fanadihadiana hafa indray momba ity raharaha ity, nefa efa voairaka nanao izany ny zandary misahana ny heloka be vava Toamasina. Raha ny fantatra anefa dia mety ho anio alakamisy na ny zoma izao no hiakatra fampanoavana ny raharaha hanaovan’ny fampanoavana ny fehin-teniny momba ity resaka tovolahy roa maty tao Ambalakisoa Toamasina mpianatry ny oniversiten’i Toamasina ity. Ankoatra izany dia tonga eto Toamasina ny iraka nalefan’ny sekretera mpanatanteraky ny zandary, ny Jly Tsirivelo Nicolas. Raha ny iraka nampanaovin’ny SEG, ny Jly Ravalomanana Richard, azy dia ho elanelam-panahy eo amin’ny lonaky ny zanak’atsimo sy atsimo atsinanana, sy ny fianakavian’ny maty. Ny alarobia 05 febroary teo tamin’ny 06 ora hariva no nisy ny fifampiresahana sy ny fihaonana, saingy tsy nisy nipika aloha ny dinika ka ho hita eo ny tohin’ity elanelam-panahy ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici